« Festival du Mois de la Photo » : hanehoana ny lanjan’ny saripika

Anisan’ny vavolombelon’ny tranga iray ny sary. Ilaina anefa ny mamantatra ny fototra sy ny fenitra amin’ny fanatontosana azy. Izany indrindra no antom-pisian’ny « Festival du Mois de la Photo », ho fampiroboroboana izany ao anatin’ny fenitra tena izy sy matihanina.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Alliance Fran­çaise d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny fampirantiana «Patrimoine ferroviaire, témoignage du passé». He­tsika karakarain’ny fikamba­nana Sar’nao, tafiditra ao anatin’ny « Festival du Mois de la Photo ». Ny 16 novambra 2024 vao hifarana izany. Amin’ity fampirantiana fanokafana ity, ny sary manodidina ny lalamby no haranty eny an-toerana. Tanjona ny hampiroborobo ny tontolon’ny saripika sy hampisehoana fa manana ny maha izy azy eo anivon’ny fiarahamonina izany zavakanto izany.
Mampahafantatra ny zava-nisy mahakasika ny fitaterana an-dalamby ny fampirantiana tanterahina eny amin’ny AFT Andavamamba. Hita ao ana­tin’izany ireo toeram-piantsonan’ny lamasinina, nataon’ny mpanjanaka, ahitana taon-trano miavaka. Ao ihany koa ny lamasinina niasa voalohany teto, ireo Malagasy nandritra ny fanamboarana lalamby, ary ireo sary maro maneho ny andavanandrom-piainan’ny mpampiasa sy mpisitraka ny fitaterana an-dalamby. Miso­katra ho an’ny rehetra ary mai­maimpoana tanteraka ny he­tsika.
Ankoatra izay, hisy ihany koa ny hetsika hafa entina mandravaka ny « Festival du Mois de la Photo », anisan’ izany ny atrikasa sy velakevitra arahina ady hevitra sy fampiofanana. Tafiditra ao anatin’ izany ny atrikasa mahakasika ny “Anthotype”, izay fanaovana sary amin’ny ravi-maitso. Eo ihany koa ny fiofanana iara­hana amin’i Julie Bonzon, ma­tihanina amin’ny fakana sari­pika, hampahafantarana ny mahakasika ny fototra amin’ny fakana sary haha matihanina sy hampanara-penitra ny sary.

Lin

Partager sur: