Fifidianana filoham-pirenena amerikanina : mifandanja ny hery ho an’ny kandidà roa tonta

Notanterahina omaly, ny fifidianana filoham-pirenena ao Etazonia. I Kamala Harris, avy amin’ny antoko Demokraty sy i Donald Trump, avy amin’ny antoko Repoblikanina no mifaninana amin’izany fifidianana ho filoham-pirenena izany. Amin’ny ankapobeny, mbola miovaova hatrany ny fironana mahakasika ny valim-pifidianana. Efa nanambara kosa ny avy amin’ny antoko Repoblikanina fa nisy ny fanaovana hosoka nataon’ny avy amin’ny antoko demokraty tao anatin’ny zo­tram-pifidianana. Marihina fa tsy ny vahoaka mivantana no mifidy ho an’ny ao Etazonia mandritra ity fifidianana ity fa ireo senatera eo anivon’ny kongresy. Mafampana ny toe-draharaha ao Etazonia anatin’izao zotram-pifidianana filoham-pirenena izao. Mifan­danja ary tena samy mbola ao anatin’ny fifaninanana tanteraka ny roa tonta na dia mitarika aza i Kamala Harris, raha ny teny anivon’ireo fanjakana fito anisan’ny manan-danja no nojerena. Anisan’izany i Ne­vada, North Carolina, Wis­consin, Georgia, Pennsyl­vania, Michigan ary Arizona. Mila farafahakeliny vatom-pifidianana 270 amin’ny 538 ny kandidà iray mba hahalany azy ho filoham-pirenena. Ny kongresy no manapaka ny voka-pifidianana raha tsy misy kandidà mahatratra io maro anisa io.
Efa nanomboka omaly hariva ny fanisam-bato, vinavinaina hivoaka afaka andro vitsy hatramin’ny herinandro kosa ny voka-pifidianana, miankina amin’ny toe-java-misy. Mety haharitra andro maromaro izany vao hivoaka raha maro ireo vato amin’ny alalan’ny paositra. Mety haharitra herinandro maro kosa izany raha toa ka misy ny fitoriana sy fitarainana eny anivon’ireo fanjakana manan-danja.

Lin

Partager sur: