Herisetra ao an-tokantrano : naiditra am-ponja ilay lehilahy nidaroka am-badiny

Nodarodaroham-badiny, mangana ary feno ratra ny vehivavy iray. Tra-tehaka ny nahavanon-doza ka notanana any am-ponja.

Voasambotra ka notanana am-ponja ao Am­bohitrabiby, ny lehilahy iray nidaroka ny vadiny, afakomaly. Nanamparany herisetra ny vadiny. Nodaroda­rohany, mangana tanteraka ny faritra maromaro tamin’ny vatan’io ramatoa io. Anisan’ny voa mafy ny lohalika sy ny feny. Nisy tsy fifankahazoana teo amin’izy mivady. Nivadika ho fifamaliana anefa izany. Niafara tamin’ny fidarohana nataon-dralehilahy io vadiny io izany. Voa mafy, nanao fisintomana lakilosy tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera nanoloana ny fahavoazany ny olona akaiky ny lasibatra. Nametraka fitoriana teny anivon’ ny fikambanana miaro ny zon’ny vehivavy rahateo ny renin’io vehivavy io. Natao ny fikarohana ilay lehilahy nahavanon-doza. Natao famotorana teny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana izy. Niaraka nohadihadiana taminy ny renin’ity farany izay nanatri-maso ny voina. Niaiky heloka io lehilahy io fa nidaroka ny vadiny. Tsy vao sambany, efa fanaony matetika izao mikasi-tanana vehivavy izao, araka ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana azy. Nentina natolotra ny fampanoavana, notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ambohitrabiby izy. Manaraka fitsaboana moa ilay ramatoa lasibatra. Mari­hina, voararan’ny lalàna ny fikasihan-tanana sy fanaovana herisetra ataon’ny lehilahy amin’ny vehivavy na amin’ny lafiny inona na inona.

Tsiferana R.

Partager sur: