« IHF Trophy cadet »: laharana fahadimy ny Akio

Farany vao nisy ventiny. Nahazo fandresena ihany ny Akio de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny « IHF Trophy », taranja handball, sokajy cadet. Omaly, resin-dry zalahy tamin’ny isa 32 no ho 22 i Zambie. Fandresena mametraka azy ireo ho eo amin’ny laharana fahadimy. Fihaonana notanterahina tao Ethiopian Sports Academy.
Tombony ho an’ny Malagasy mpilalao ny hakingana sy ny hafainganana teny ambony kianja. Teo amin’ny 1 mn nanombohana ihany no nitarika tamin’ny isa 2 no ho 1 i Zambie fa avy eo, nitarika hatramin’ny farany ny Akio. Mafy rahateo ny fiarovan-tena malagasy ka nanahirana ny zambianina ny namaky izany. Nanao tifi-davitra ny hany mba nataon’ny zambianina, saingy nivoaka ny tsatoby na voasakan’i Tombo izany. Teo am-pialantsasatra dia efa nitarika tamin’ny isa 17 no ho 12 ny Akio. Fizaram-potoana faharoa, niditra mafy ny zambianina ka nifanakaiky ny isa 22 no ho 19 saingy nanova pai­kady ny Akio ka tsy hitan’ny zambianina intsony ny fomba namonoana baolina. Tetsy an-kilany, sesilany ny baolina matin’ny Akio. Voahosotra ho mpilalao mendrika, tamin’ity i Niriko.

Tompondaka

Partager sur: