INDRAY MIJERY

Notontosaina teny amin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana 67 Ha, ny fivoriana ara-potoan’ny Filan-kevitra ambonin’ny asam-panjakana, omaly. Lahadinika maro no novelabelarina nandritra izany ka nandraisan’ny minisitera isan-tsokajiny anjara ary notarihin’ny tale jeneralin’ny asam-panjakana, Ramaroson Heridja Patrick, ny fivoriana ara-potoana.
Maro ireo ray aman-dreny tonga nanatrika ny fifampizarana mahakasika ny fanabeazana mahomby kokoa ho an’ireo zaza autiste natao ny faran’ny herinandro teo, tao Vakinankaratra. Ny fanabeazana izay iray amin’ireo zo fototry ny ankizy nefa mbola sarotra ny zava-misy eto amin’ny firenena. Mbola betsaka ny zaza manana fahasembanana no tsy afaka mandia sekoly eto Madagasikara noho ny tsy fisian’ny fotodrafitrasa sy ny rafitra manokana.
Mafana be ny andro, tena ilaina ny misotro rano matetika. Torohevitry ny mpitsabo ny misotro rano mafana na dia mitady mangatsiatsiaka aza ny vatana. Manampy amin’ny fandaminana ny lalandra ny fisotroana rano mafana, mampitombo ny hery isorohana ny homamiadana, misoroka sy mitsabo ny aretin’ny fo…
Hofanina manokana ireo mpivarotra sakafo masaka voafantin’ny CUA. 100 ireo mpivarotra hisitraka ny fiofanana hanatsarany ny asa fivelomany. Haharitra 5 andro ny fanamafisana fahalalana hatao eny amin’ny INTH Ampefiloha. Hahazo mari-pankasitrahana izy ireo aorian’izao.

Partager sur: