Tsy hay intsony ny hamaritana ny hoavin’ilay firenena. Sahirana, hita ho miady irery ny filohan’ny Repoblika. Izy daholo no manenjika an’i Babay sy Lohavohitra. Hany olon-tokana mihazakazaka etsy sy eroa mitady izay hivoahana amin’ny kirizy sosialy mianjady ankehitriny. Tsy afa-miala rahateo tamin’ny lokaloka maro isan-karazany, nandritra ny fampielezan-kevitra. Lehilahy mitazona ny teny nomeny rahateo ka tsy maintsy mijoro.
Raha izao fizotry ny toe-draharaha izao anefa dia tena tsy vitan’ny miady irery izy io “prezidà”! Mbola aiza ity dimy taona ka dia ho be vovokaina tahaka io? Mila zaraina ny fahefana sy ny andraikitra. Tsy afaka ny miolonolona amin’ny heverina ho ekipa samirery intsony. Ny fiaraha-mientan’ny Malagasy sy ny fanomezan-danja ny manam-pahaizana avy eto an-toerana no anisan’ny vahaolana.
Mila manokatra varavarana amin’ny fandraisana ny mpiara-miasa ka mitady olona vonona sy vanona. Firenena tokony ho tafavoaka lavitra ilay Madagasikara raha mba misy ny fanomezan-kasina izay tena tia sy saro-piaro amin’ilay tanindrazana. Tsy vanim-potoana hanaovana fiaron’ambohilahy antitra intsony izao. Mbola betsaka ny adidy miandry ho an’ilay firenena malalantsika.
Mihazakazaka ny kajy politika. Manao angaredona ireo mihevi-tena sy milaza fa tia tanindrazana any anatin’ ny firaisamonim-pirenena. Manozongozona izatsy, manetsiketsika ny eroa. Ilana fahamailoana izany raha tiana ny hahamarin-toerana. Tsy afaka ny hitompo teny fantatra amin’ny firoboroboan’ny fifandraisana amin’ny firenena vahiny isika. Tsy tokony ho varivarian’ny lavitra velively. Tsy ho sendra ny tampoka na ny singam-bolo mandavo ny vositra.
Ramalina aza, hono, nifehy hazo tokana! Fady ny mandrimandry manana aretina koa asakasak’izay hamela ny filoha hiady irery eo!
Randria