Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ireo jiolahy sivy voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy 15 taona, tao Amparafaravola. Nanao tohivakana ny fisamborana ireo jiolahy ny 21 sy 22 oktobra 2024 teo. Lasibatry ny asa ratsin’ireo jiolahy ny ankizivavy 15 taona ny alin’ny 15 oktobra 2024. Avy nanatrika raharaham-pianakaviana tao amin’ny fokontany Ambohimandroso, kaominina ambanivohitr’ Ambohitrarivo, distrikan’Amparafaravola, izy no nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Voalaza fa nandeha irery izy ka nohararaotin’ireo olon-dratsy rehefa nandalo teo amin’ny toerana somary mangingina sady maizimaizina. Ny maraina izy vao tonga tany an-trano ka nitantara ny zava-nanjo azy tamin’ireo ray aman-dreniny. Nanamparan’izy ireo ny filan-dratsiny ilay niharam-boina tamin’io hariva io ka torana tsy nahatsiaro tena. Nandritra ny fizahana nataon’ny dokotera no nahitana fa simba tanteraka izy noho ny herisetra nihatra taminy. Tadidiny ireo jiolahy ka niainga avy amin’izany no nahasamborana ireo jiolahy roa. Nitohy ihany ny fanadihadiana ka nitarika tamin’ny fahatrarana ireo namany fito lahy izany. Niaiky ry zalahy ireto fa tena nanolana io ankizivavy io tokoa tamin’io fotoana io.
J.C