Poa-basy tao Ampitatafika : mpambongady voaroba, lasa ny volabe

Norobain’ny jiolahy mitam-piadiana ny volabe tao amina “grossiste” iray, ao Ambodi­fiakarana Ampitatafika, omaly tamin’ny 7 ora hariva. Nilanja fitaovam-piadiana, namoaka ary nanambana izany ny mpivarotra tao amin’io tsena io ireo olon-dratsy. Nanapoaka basy, tsy nisy nahahetsika intsony ireo olona teo amin’ny manodidina. Mihoatra ny telo ireo nanao ny fanafihana, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao. Tsy afa-namaly, nanome ny vola ny tompon-tsena. Nirifatra nandositra ireo olon-dratsy taorian’izay.

Karohina ny nahavanon-doza
Minitra vitsy taorian’ny fandrobana, nigadona teny an-toerana ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Anatin’ ny fanadihadiana tanteraka momba ireo nahavanon-doza izy ireo. Tsy nahita fiara na moto teo amin’ny manodidina ahina ho nampiasain’ireo olon-dratsy ny nanatri-maso. Niaina tao anatin’ny horohoro tanteraka ireo mpivarotra eny an-toerana. Marihina, mpambongady iray namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny jiolahy tao Toamasina, ny faran’ny volana oktobra teo.

Tsiferana R.

Partager sur: