Rugby « Women’s Seven Africa » : ambony ny herijika ho an’ny Makis Ladies

Hanainga rahampitso amin’ny 3 ora maraina, etsy Ivato, hihazo an’i Ghana, ny ekipam-pirenena malagasy Makis Ladies. Hiatrika ny fifanina­nana afrikanina “Women’s Sevens Tournament (W7T)” izy ireo. Sokajy vehivavy, lalaovin’ olona fito izany. Hotanterahina any an-toerana ny 9 sy 10 novambra ho avy izao.
Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatape­naka, fa manana herijika ny ho tafita amin’ny “Worlds Series Challengers”, ny Makis. Izay telo voalohany amin’ny fifaninana no tafita amin’ity dingana iraisam-pirenena ity. Ao amin’ ny vondrona « B » ny Makis Ladies. I Ghana, mpampiantrano sy Kenya ary i Maurice no hifandimby hihaona amin’ izy ireo any an-toerana.
Tsiahivina fa ny 90% amin’ ny mpilalao mandrafitra ny Makis Ladies, efa niatrika ny “WXV III”, izay natao tany Dubai, ny volana septambra lasa teo. “Mivoatra daholo ireo afrikanina rehetra amin’ity fifaninanana ity saingy raha ny lojika, ny ekipa kenianina no azo heverina ho mafy ho an’ny Makis Ladies”, hoy i Eric Rasefo, mpanazatra ny Makis Ladies Sevens.
Manoloana ny ezaka ataon’ ny Makis Ladies, mihazaka­zaka ny mpanohana. Anisan’ izany Razafinjoelina Tahiana, nanolotra lelavola 3 tapitrisa Ariary sy solosaina efatra teny Andohatapenaka, omaly. Hia­naran’ny Makis Ladies teny vahiny sy ny fahalalana ankapobeny ireo solosaina.

Fitia Randria

Partager sur: