SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina nanomboka omaly, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampivondronana ireo mpilalao eto an-toerana voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Anisan’izany ry Njiva, Amada, Tony, Dadafara, Lalaina sy Nina ary i Rado. Tsia­hivina fa hivoaka tsy ho ela ny lisitry ny ekipa nasionaly malagasy.

Nifarana ny alahady 2 novambra lasa teo, tany Ambatolampy, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasi­kara, taranja tenisy ambony latabatra “Ping pong”. Norombahin-dRakotoarisoa Mamy Riva, mpilalaon’i Acacia, ny amboara teo amin’ny lehilahy, raha toa ka i Gracia, avy amin’ny Challengers, kosa ny sokajy vehi­vavy.

Hafana indray ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, federaly II. Fifanandrinana roa tena andrasan’ny maro, eny an-toerana, ny lalao izay hikatrohan’ny CEA Andranomanalina sy ny FTAT Anosibe ary ny an’ny JSTA Ambondrona sy ny 3FAI Ambalavao Isotry.

Hitohy ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’ny Grand tournoi Anta­nanarivo (GTA). Araka ny fandaharam-potoana navoakan’ ny mpikarakara, hifandona amin’ny Cosfa ny Avenir Ste Anne ary ny CFFA hihaona amin’ny Ajesaia.

Partager sur: