4 andro misesy, amin’ny toerana samihafa. Nanainga omaly, nihazo ny Nosy La Réunion ny The Dizzy Brains. Hanomboka rahampitso kosa ny andiam-pampisehoana hotontosain-dry Eddy Andrianarisoa sy ny tariny, any an-toerana. Ao amin’ny Café Doumoun – La Montagne ny voalohany, ny 7 novambra. Hitohy ao amin’ny Bisik Saint Benôit, ny 8 novambra, Sakom ao Le Tampon, ny 9 novambra ary ao amin’ny Rondavelle Tiroule any Saint Leu ny farany, ny alahady 10 novambra.
Nialoha izao fivoahana izao, nandray anjara tamin’ny “Rided Island Bike Fest” izay natao tetsy amin’ny Canal Olympia, ny 27 oktobra lasa teo, no nahatazana ny The Dizzy Brains an-tsehatra teto Antananarivo. Fotoana nahenoana indray ireo hira mipotsitra ny vain’ny fiarahamonina misy eto Madagasikara.
Izay ady amin’ny tsy rariny, tsindry hazolena, sy izay mankarary ny fiarahamonina rehetra izay no avoitran’ny The Dizzy Brains anatin’ireo hira migadona rock, nanomboka ny taona 2011. Izay ihany koa no nametraka ny anaran’izy ireo teto, ary efa nentiny nitety firenena maro. Mbola ity tarika ity hatreto no mpivoy ny rock malagasy nahavita fitetezam-pirenena maro indrindra.
Zo ny Aina