Mbola lafo ny vidim-piainana eto Madagasikara tao anatin’ny telo volana fahatelo, taona 2024, raha ny nambaran’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tsinjony sady nohamafisiny tao anatin’ny fanadihadiana ara-toekarena nataony fa hihalafo hatrany izany eto amintsika ho an’ity taona 2024 ity. Nilaza ny governoran’ny BFM, Andrianarivelo Aivo, omaly, teny Antaninarenina fa: « 7,2% ny tahan’ ny sondrobidim-piainana ny volana marsa teo, niakatra ho 7,8 % ny volana aogositra, mbola voatazona ho 7,8% izany nandritra ny volana oktobra teo ». Vokany, mitotongana ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano. Mitotongana ihany koa ny vola malagasy sy ny dolara, ny 26 septambra teo, nisanda 5000,32Ar ny euro iray teo amin’ny tsena fifanakalozam-bola (marché interbancaire de devise) raha 4 530,48Ar kosa ny dolara.
« Miadana ny fihodin’ny toekarena ary tsy mbola feno ny fepetra tokony hanovan’ny BFM ny politikan’ny fitantanam-bola », hoy hatrany ny nambarany tanatin’ny tatitra izay nataony.
Nampiakarin’ny BFM ho 9,5% ny « taux des facilités de dépôt » nanomboka ny telovolana fahatelo ary 11,50% ny « taux des facilités de prêt marginal » ho an’ireo banky eto an-toerana. Notazonina ireo taha ireo mandritra ny telovolana fahefatra farany amin’ity taona ity. Vinavinain’ny BFM hitombo hatrany amin’ny 8,2 % mantsy ny tahan’ny sondrobidim-piainana amin’ny faran’ny volana desambra. Anisan’ny antony nitazonan’ny BFM ny « taux de facilité permanente » amin’ny taha ankehitriny io.
Henintsoa Hani