Tontolon’ny fitsarana : efa misy ny fifampiresahana eo amin’ny minisitera sy ny SMM

Tsy hitokona na hampitsahatra ny asany ireo mpitsara. Nisy ny dinika niarahan’ny sendika sy ny minisitera. Ho fitsinjovana ny vahoaka izany, hoy izy ireo.

Efa misy ny fifampiresahana eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), araka ny nambaran’ny filohan’ny SMM, Andriantsihorisoa Mbi­tanarivo, teny Anosy, omaly. Na nilaza hampiato ny asam-pitsarana manerana an’i Madagasikara aza, omaly, ry zareo, nisy ihany no niasa ary hiverina hiasa avokoa izy ireo. Tsy miaro ny mpanao kolikoly ny SMM. Sanatria izany. Omban-dry zareo manana mandrakariva ny politikan’ny minisitera. Manimba zavatra betsaka raha atao am-panidinana toy ireny ny fanehoana ny Politika ankapoben’ny minisiteran’ny Fitsarana ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly. Mila jerena manokana ny fampandehanan-draharaha eny anivon’ny fitsarana. Hisy ny fifanatonana hitanan-dry zareo ny fitakiany.
Hentitra kosa ny fanazavan’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny Fitsarana, Rabearisoa Rochel, teny Faravohitra, afakomaly: “Minia mandika sy tsy manaja ny fepetra voarakitra ao anatin’ny politika famaizana, tsy maintsy handraisan’ny minisitera fepetra henjana”, ny amin’ny fampiatoana ireo mpitsara efatra amin’ny asany. Atao izany mba hiarovana ny vahoaka sy hisian’ny fandriampahalemana. Manaja ny fahaleovantenan’ny mpitsara mpamoaka didy ny minisitera. Mpitsara ao amin’ny fampanoavana avokoa ireo iharan’ny fampiatoana. Olona natao hanatanteraka ny baiko momba ny politika famaizana izay mikirakira raharaha momba ny fanolanana izy ireo, ary nisy tamin’ireo niharam-boina no zaza valo taona. Nisy ny raharaha momba ny fanafihana mitam-piadiana, halatra niharo famonoana olona amin’ny fomba feno habibiana. Niainga tamin’ny fitarainana nataon’olon-tsotra ny fampiatoana noraisina. Mbola handalo filankevi-pifehezana izy ireo.

R. Nd.

Partager sur: