Andrianjava Serge: « Misy ambadika ny fanaovana politika hoe tsy miankina »

Mihamahazo vahana ny hoe tsy miankina amin’ny fanaovana politika amin’ny fiatrehana fifidianana, ohatra. Nahoana? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina izay mpikamban’ny vaomieran’ny fanorenana ifotony teo anivon’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, Andrianjava Serge.

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny antoko politika mihavery hasina amin’ny fifidianana?
Andrianjava Serge (-): Ny fisian’ny tsy miankina be dia be no ahatsapana fa tsy mbola matotra ny rafitra politika eto Madagasikara. Na misy aza ny lalàna momba ny antoko politika ary be dia be ny antoko: tsy voafehy araka ny tokony ho izy ny fanaovana politika, na ny fidirana antoko amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena. Tsy mbola matotra ny fahatsapan’ny olona ny fisiana sy ny maha zava-dehibe ny rafitra politika sy ny antoko. Rehefa fifidianana ary misy ny fihazakazahana hahazoan-toerana vao mipoitra ny antoko. Mbola tsy mahatsapa ny maha zava-dehibe ny firotsahana an-tsehatra amin’ny politika ho amin’ny fampandrosoana ny olom-pirenena. Izay no mahatonga ny hoe manao tsy miankina: tsy matoky ny fanaovana politika. Be dia be ny manao kajikajy politika: manao tsy miankina, nefa misy zavatra hafa ao ambadika. Na mialokaloka amin’ny mpanohitra izy na amin’ny fitondrana.
* Ary ny fomba fanaovana politika? Mbamin’ny fanarenana…
– Tsy midika hoe malalaka ny fanaovana politika ny fisian’ny tsy miankina, izay misy ambadika koa. Misy safidy politika ao: na any amin’ny mpanohitra na amin’ny mpitondra. Tokony hohamafisina ny fanabeazana politika ny olom-pirenena. Mitady fomba fijery sy fiasa vaovao koa ny mpanao politika mba hananan’ny olona fahatokisana. Malalaka ary afa-manao politika ny olon-drehetra, fa tsy araka ny tokony ho izy. Tsy misy tsangan-kevitra fa miovaova. Tsy atokisan’ny olona amin’ny farany. Maninona no tsy miditra antoko ny olona? Lasa manao tsy miankina; avy eo, mirona amina antoko hafa. Efa misy ary hoe mety ny lalàna momba ny antoko, fa ny fanatanterahana sy ny fampiasana azy no tsy tonga lafatra. Tsy mirona amin’ny fanabeazana sy asa fampandrosoana ny fanaovana politika fa ady seza: rehefa mahazo toerana, hadino izay nifanarahana tamin’ny vahoaka. Mifanenjika ny samy olona amin’ny adilahy politika, fa tsy ny hevitra no ampiadiana. Lasa fifanenjehana sy valifaty ny fanaovana politika, fa tsy adihevitra. Izay no mila fanarenana.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: