Mihamafy hatrany ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’i Angola sy i Madagasikara, indrindra taorian’ny fitsidihana ara-panjakana nataon’ny filoha tany Angola tamin’ny aogositra lasa teo. Fantatra izany tamin’ny nanoloran’ny ambasadaoron’i Angola, Sem Rui Orlando Ferreira De Ceita Da Silva Xavier, hisahana an’i Madagasikara ary honina sy hiasa atsy Afrika Atsimo, ny taratasy manendry azy tamin’ny filoha Rajoelina Andry teny Iavoloha, omaly. Vokatry ny fifanaraha-piaraha-miasa sy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny fitondram-panjakana roa tonta no nahatonga ny fanendrena ambasadaoro voalohany hisahana an’i Madagasikara avy any Angola izao. Ao anatin’izany ny sehatry ny fizahantany, fambolena, angovo, varotra.
Nanolotra ny taratasy manendry azy koa ny ambasadaoro vaovaon’i Hongrie, Sem, hiasa sy honina atsy Afrika Atsimo. Maro ny sehatra iraisana sy iombonan’ny firenena roa tonta. Hamafisina izany amin’ny fampivoarana sy fampiroboroboana eo amin’ ny sehatra marolafy ho amin’ny fampandrosoana: fambolena, fanadiovana sy fitanatana rano, fizahantany…
R. Nd.