Avo lenta

 

Nivoaka ny voka-pifidianana any Etazonia. Niverina amin’ny toerany ny filoha teo aloha Donald Trump. Hanao ahoana ny ho fiantraikan’izay amin’ny jeopolitika maneran-tany? Iaraha-mahalala fa anisan’ny tsy nankasitraka ny adilahy miseho etsy sy eroa ny tenany. Nilaza moa izy tamin’ny fampielezan-kevitra nataony fa 24 ora monja aorian’ny fahalaniany dia hitsahatra ny ady eo amin’i Russie sy Ukraine.
Mety hampiova zavatra maro, indrindra ny fihariana sy ny toekarena izany. Mety hanatsaratsara ny lafiny sosialy koa, satria raha mitombo ny fandriampahalemana, mihena ny fidangan’ny vidim-piainana. Teboka iray goavana anisan’ny hanamarika ny fotoam-pitondrany koa ny tsy fankasitrahany ny resaka fanalan-jaza, na dia atao ho fitsaboana ny vehivavy aza. Anisan’ny filoham-pire­nena vitsy tsy manaiky izany ny tenany.
Niavaka, azo hakana lesona ny mahakasika ny fizotry ny fifidianana tany Etazonia, indrindra iray volana mialoha ny fifidianana ho ben’ny Tanàna eto Madagasikara. Marina, tsy mitovy ny hodidina saingy misy teboka goavana azo tahafina tsara dia ny fahazotoana mandeha mandatsa-bato. Izay no lesoka lehibe ho antsika eto Madagasikara hatrizay. Mimenomenona fotsiny fa tsy mahay manararaotra ny herijika ahafahana maneho hevitra. Manome vahana ny olona na kandidà tsy tiana ny fahakamoana mandeha mifidy!
Ankoatra izay, ilaina ny fiarahan’ny rehetra mientana amin’ny fanajana ny lalàna mifehy ny fifidianana. Tokony ho vaindohan-draharaha ho an’i Madagasikara ihany koa ny fanomezana malalaka ny olona hiteny sy haneho hevitra. Zo fototra ahafahana mampandroso, ny fahalalana ny marina izay mety takona noho ny fanapenam-bava. Mitarika amin’ny fifanajan’ny mpiantsehatra izany. Manome lanja ilay fifidianana, mba ho avo lenta toy ny an’ny firenen-kafa !

r.r

Partager sur: