Miditra amin’ny andro fahatelo, anio, eny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana “Cours des Entraîneurs FIVB niveau 1”, taranja volley-ball. Miisa 45 ireo mpanazatra manaraka izany, ka manana solontena avokoa ny ligim-paritra rehetra. Razafinjatovo Honoré, Malagasy mpampiofana iraisam-pirenena no notendren’ny FIVB (Fédération Internationale de Volley-ball) hampiofana. Hentitra izy ary nanamafy fa mila manaja ny fitsipika mifehy mandritra ny fiofanana ireo mpiofana. Zava-dehibe ity fiofanana ity satria tafiditra amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana, izay tokony ho fantatry ny mpanazatra no zaraina mandritra ny 5 andro. Tanjon’ny FIVB, hoy hatrany i Honoré, ny hifanakaikezan’ ny fahaiza-manao ho an’ireo aty amin’ny Nosy rahavavy sy manerana an’i Afrika. Betsaka no naniry handray anjara tamin’ izao fiofanana izao, hoy kosa ny filohan’ny FMVB, Raharimalala Léa, fa ireo 45 ireo no hita fa tena vonona. Antenaina, hoy izy, fa hanana teknisiana maro isika aorian’izao fiofanana izao. Tsiahivina, manodidina ny 100 eo no manana ny diplaoma “Niveau 1” saingy vitsy no mampihatra ny norantovina.
Mi.Raz