Fanarenana ny soatoavina : miandry lalàna ny Malagasy

Miverimberina ny : « ratsy taiza ny zaza ankehitriny », « tsy mahavita ny andraikiny ny ray aman-dreny, manoloana ny fanabeazana ny taranany ho tonga olom-banona », sns. Satria, tsy mifanaraka intsony amin’ny soatoavina malagasy ny ataon’ny zaza sy ny tanora ary ny lehibe miaina izao vanim-potoana izao. Tahaka izany koa ny zava-mitranga eo amin’ny tontolon’ny zavakanto.
Anisan’ny fomba iray hanarenana io fahasimban’ny soatoavina io ny famoahana didy na lalàna, na hitsivolana ho fefy ho an’ny rehetra. Efa nisy teto Madagasikara, tany amin’ny taona 1967, ohatra, ny fivoahan’ny didim-panjakana mandrara ny fanaovana « mini-jupe » na ny « mini-robe » eny an-dalambe sy eny amin’ny toerana vory vahoaka. Norarana ny mitondra akanjo tsy mifanaraka amin’ny fahendrena sy ny toe-tsaina ary ny fomba amam-panao malagasy.
… Ny finiavana hiaro sy hanabe ny taranaka malagasy no mbola tena tsy ananan’ireo heverina ho raiamandreny isan-tsokajiny sy isan’ambaratongany eto Madagasikara.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: