Fihaonan’ny mpandraharaha sy mpamatsy vola: telo andro hifanakalozana ny « Fidima » andiany faha-6

Tanterahina eto Antana­narivo mandritra ny telo andro, ny 6 ka hatramin’ny 8 novambra ny «Forum Inter­national des investisseurs à Madagascar et en Afrique» (Fidima) andiany fahenina. Lohahevitra amin’ity taona ity ny fanafainganana ny rohivoaharan’ny teknolojia eto Ma­dagasikara, izay hifanakalo­zan’ireo matihanina samihafa mandritra ny hetsika. «Tan­jona ny hampifandray ireo mpandraharaha eto Madaga­sikara sy any Afrika amin’ireo mpampiasa vola», hoy ny fi­loha mpanorina (CEO) ny «Fidima», i Saholy Malet, omaly, nandritra ny fanokafana ny hetsika teny Antani­narenina.
Ankoatra izay, misy ny karazana fiofanana omena ireo tanora, toy ny fanaovana «application mobile» amin’ny alalan’ny «mobile banking». Toy ny tamin’ny taon-dasa, hanamarika ny hetsika amin’
ity taona ity ny handraisana ireo kandidà hiofanana mahakasika ny No-Code mba hanomezana azy ireo ny torohay ara-kalitao sy paikady ma­homby amin’ny famoronana sy fanokafana ny «Web app» sy ny tranonkala natokana ho an’ireo mpanjifa eoropeanina.
Ankilany, hihaona mandritra ny roa andro (7 sy 8 no­vambra) ireo mpampiasa vola sy ireo mpandraharaha vonona hampiroborobo ny fandraharahana ataony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hanamarika ny “Fidima” an­diany fahenina ny fifanakalozana, ny fihaonan’ireo samy mpandraharaha ary ny fandraisana ireo kandidà liana amin’ny sehatry ny teknolojia (recrutement IT).

Henintsoa Hani

Partager sur: