Notolorana mari-piofanana ireo olona 164, nanaraka fiofanana nandritra ny hefarana niaraka amin’ny ivontoeram-panofanana arakasa eny Tsimbazaza sy ny LTA ary ny LTP Ampefiloha. Tafiditra amin’ ny fandaharanasa «Fijery hafa» miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa ny fampiofanana, izay manatona vahoaka, andiany voalohany. Sehatra efatra : taovolo, zaitra, fanamboarana mofomamy ary informatika izay samy hetaheta niainga avy amin’izy ireo no nosafidiany hahazoany asa aoriana.
Teny Isotry no nisantarana ny “Fijery hafa” andiany voalohany, taorian’ny fanadihadiana amin’ny seha-piofanana mahaliana azy ireo. Tanora ny ankamaroan’ireo namaly ny antson’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fiofanana arakasa. “Efa misy dinika miaraka amin’ny mpiray ombon’ antoka hahazoana mampitaovana ireo mpiofana ka havondrona ho fikambanana aloha izy ireo”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika, omaly, teny Ampefiloha.
Hiditra amin’ny andiany faharoa ny fiofanana faobe amin’ny “Fijery hafa” ary olona 2 000 no efa nisoratra anarana sahady teny anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika. Mbola afaka manohy fiofanana ireo efa nisitraka izany tamin’ny andiany voalohany fa amin’ny sehatra hafa hanamafisana ny fahaiza-manaony. Tanjon’ny fampiofanana ny haha matihanina ireo tanora ka tsy hiandry asa avy amin’ny mpampiasa fa hiasa tena avy hatrany.
Vonjy