Loharanom-bola tsy misy masonkarena ny fivarotana boky hosoka anaty tambajotran-tserasera. Lasibatra tamin’izany ny boky « Ny fiandohan’ny Malagasy », izay tsy natao amidy mihitsy.
Tra-tehaky ny Vondron-kery manokana misahana ny ady amin’ny hosoka (BAP), ireo nivarotra ilay boky « Ny fiandohan’ny Malagasy » , araka ny fampitam-baovao nataon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, tao amin’ny pejiny, omaly. Raha ny fanazavana, nisy namoaka tao amin’ny tambajotran-tserasera, Facebook ny fivarotana ny boky. Endrika fandikan-dalàna izany, satria, tsy natao amidy ity boky ity. Faharoa, raha toa ka hosoka na dika mitovy ilay nokasaina hamidy, vao mainka fandikan-dalàna, ary tafiditra anatin’ny ady sahanin’ny BAP. Olona roa, hatreto, no voarohirohy nanao ity asa ratsy ity. Voamarina fa ilay boky nozaraina maimaimpoana ireo amidy.
Tsiahivina fa vokatry ny angom-pikarohana notarihin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, tamin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny maha izy ara-kolontsaina ny boky «Ny fiandohan’ny Malagasy ». Zava-dehibe ho an’ny Malagasy tsivakivolo ny nivoahany. Fotoan-dehibe no nanamarihana izany tany Mananjary, ny 8 oktobra 2021. Mpikaroka maro no nifarimbona nandritra ny roa taona sy tapany, nandany rondoha sy fotoana mba hananana ity boky holovain-jafy ity : mpahay tantara, mpahay fiarahamonina, mpahay olombelona, mpahay zavaboahary, mpahay foko ara-pirazanana ary mpahay tsikera fiteny.
Zaraina maimaimpoana
Napetraka ho tanjona ny fanehoana ny hambom-po maha Malagasy, ny fandravonana ireo voka-pikarohana marolafy, ny fampitana fahalalana mahakasika ny maha Malagasy amin’ny taranaka mifandimby ary ny fandravana ny hevi-diso mahakasika ny fiandohan’ny Malagasy. Nandalo dingana maro ny fikarohana vao tonga tamin’ ny fandravonana. Tafiditra tao anatin’izany ny fikirakirana ireo karazana tahirin-kevitra samihafa, ny fakan-kevitra natao tamin’ireo mpitahiry ny vakoka sy ireo sokajin’olona manana fahalalana momba ny fiandohana, ireo mpahay tantara sy ny maro hafa.
Araka izany, tsy natao ary tsy azo amidy fa nozaraina maimaimpoana ho an’ireo trano famakiam-boky manerana ny Nosy, sekoly sy oniversite miankina na tsia, mpampianatra, mpikaroka, mpianatra, sns, ny boky « Ny fiandohan’ny Malagasy ». Noho izay maha zava-dehibe ny angom-pikarohana izay no maha maro ny liana amin’ity boky ity, ka mampitsiry ny hevi-dratsy ho an’ny sasany. Tsy hijanona hatreo fa mbola hanohy lalindalina kokoa ny fikarohana ireo mpandika lalàna sy ireo mpanao sy mpivarotra boky hosoka izay mahazo vahana amin’izao ihany koa ny BAP, raha ny fanazavana hatrany.
Zo ny Aina