Mirefy 800m ny lalan-tany mamovoka sy kisilasila amboarina tanteraka ary hatao rary vato na pavé ho azon’ny fiara mifamezivezy ao amin’ny fokontany Amboaroy, kaominina Alasora.
Mampifandray tanàna maro io lalana io ary tsy mbola nisy nanatsara mihitsy hatramin’izay. Sahirana ny fiara mandeha amin’ilay lalana ka rehefa misy tsy salama na ilana fiara dia sarotra ny fivezivezena noho ny haratsian’ilay lalana. Hisitraka izany ny mponin’Amboaroy, Ambohidava, Mendrikolovana…
Efa am-perinasa ny fotodrafitrasa mialoha ny filatsahan’ny orana, hoy ny ny kandidà ho ben’ny Tanàna, Ravelomihaja Miandrisoa Tafita na Taf’s Ramahafadrahona.
Nandritra izany ihay koa no nanolorana azy ampahibemaso fa izy no kandidà Irmar voasafidy ao amin’ny kaominina Alasora.
Zanak’Alasora feno ary tomponandraikitra amin’ny asa sosialy. Mila olona tena hitondra fampandrosoana miorina tsara Alasora ka naneho fahavononana ho amin’izany ity kandidà ity. Tao anatin’ny iray volana, efa nahavita lavadrano 7 sy toeram-panasan-damba izy sy ny ekipany.
Tatiana A