Lova Nantenaina : maneho ny horonantsariny ao Frantsa

Ao anaty fitetezam-paritra ao Frantsa ny horonantsary “Sitabaomba, chez les zebus francophones”, an’i Lova Nan­tenaina, amin’izao fotoana izao. Anisan’ izany ilay notanterahina omaly tao amin’ny Espace Saint Michel Paris, nandefasana ny horonantsary sy nanatanterahana tafa niarahana tamin’ity mpanatontosa ity. Tao anatin’izany no na­melabelarany ny hafatra tiany hampitaina amin’ity sanganasany ity. Mbola hitohy ao Nantes sy Herouvilles ny fitetezam-paritra ataon’izy ireo hatramin’ny faran’ny herinandro, ankoatra ny fandefasana ny horonantsary amina efitrano maro ao Frantsa. Rehefa tontosa ny ao Frantsa, i Alle­magne indray no handray ny “Sitabaomba, chez les zebus francophones”.
Horonantsary fanadihadiana anisan’ny miavaka ity no­soratan’i Lova Nantenaina ity. Ao anatin’izany no iresahana ny tantaran’i Ly. Anisan’ny mpikabary farany eto an-dRenivohitr’i Madagasikara i Ly. Niova ny fiainany tamin’ny taona 2016, rehefa nanomboka nitsiriritra ny tany novoleny ireo mpandinika mitam-piadiana efa ela. Toy ny atody miady amin’ny vatokely i Ly sy ny na­many tantsaha, ary ny zanany sy ny saribakolin’ny hatsikana maneso no mitantara ny tantaran’ny olon-dehibe. Anisan’ ireo zavakanto maneho ny mbola fanjanahana amin’izao fotoana izao izy ity, araka ny tsikera nataon’ireo mpahay horonantsary. “Hain’ ny mpanatontosa tsara ny naneho izany endri-panjanahana izany amin’ny endrika kanto ka manome lanja ity horonantsary ity”, hoy i Valentin Verha­gue, vahiny mpahay horonantsary matihanina anisan’ny nitondra tsikera tamin’ny “Sita­baomba, chez les zebus francophones”.

Lin

Partager sur: