Lehilahy iray no ahina ho nananton-tena, tao an-tranon’ny sakaizany teny Imerintsiatosika. Niezaka nanavotra azy ilay vehivavy sy ny mpiara-monina saingy tsy tana ny ainy.
Tadim-patalohany ihany no nahafaty ny lehilahy iray. Nahina ho namono tena izy. Tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Imeritsiatosika, distrikan’ Arivonimamo no nitrangan’ izany afakomaly, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina.
Tsy fantatra mazava izay hevitra tsy nifankazahoany tamin’ny sakaizany. Nivoaka ny trano ity farany. Niverina tampoka izy ka akory ny hatairany, nahita ilay tovolahy, vao 21 taona, efa nihantona teo amin’ny hazon-tafontrano ity lehilahy 21 taona ity.
Niantso vonjy tamin’ny manodidina hanampy azy hanavotra ny ain’io lehilahy io ilay tovovavy. Niezaka nanapaka ilay tady tamin’ny antsy. “Mbola nisy aina, nentina nihazo ny toeram-pitsaboana izy”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria ao an-toerana misahana ny fanadihadiana.
Tsy tana ny ainy
Naharay fampahafantarana momba ny zava-niseho, nidina nijery ifotony ny tranga ny mpitandro filaminana. Nifanena tamin’ny fianakavian’ilay lehilahy, voalaza fa nananton-tena izay hihazo ny toeram-pitsaboana CSBII Imeritsiatosika izy ireo. Nanao sarotra anefa ny fanavontana ny ainy. Niezaka ny niala nenina ny mpitsabo. Indrisy, minitra vitsy taorian’izay, tapitra ny ainy.
Ahina ho nisy olana teo amin’ilay tovolahy sy ny sakaizany ka antony nitarika izao famoizam-pony izao. Tao an-tranon’ilay tovovavy rahateo no nitrangan’ny voina. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ ny zandarimaria eny an-toerana.
Tsiferana R.