Malagasy dimy voatana vonjimaika any am-ponja ao Mayotte ary 25 niakatra fitsarana tao Nosy Be, omaly, vokatry ny fiondranana antsokosoko sy tsy nahazoana alalana. Niala tao Ambalamanga, kaominina Nosy Be izy 25 mianadahy. Mponina avy ao Ambilobe, Ambanja, Sambava sy hatrany Antalaha izy ireo. Niondrana an-tsambokely izy ireo ka niala ny moron-tsirak’i Madagasikara. Nikisaka tao Antanibe Andrefana, distrikan’Ambanja taorian’izay. Nilaza hamangy fianakaviana amin’io tanàna io anefa izy ireo. Naka olona dimy hafa. Tafakatra 30 noho izany ireo mpiondrana. Nifindra tamin’ny sambo haingam-pandeha avokoa anefa ireo olona voalaza ireo. Notanan’ny mpitandro filaminana mpisafo ny sisin-tany ao Mayotte any am-ponja ny dimy. Nalefa nampodiana an-tanindrazana tamin’ny alalan’ny fiaramanidina ireo 25 mianadahy.
Tsiferana R.