Ping-pong – Amboaran’i Madagasikara: nisongadina ny zava-bitan’Andriatahina Gracia

Tontosa ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena niadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja ping-pong. Anisan’ny nandrombaka amboara ny Challengers Analamanga ka nahazoan’i Gracia ny anaram-boninahitra “1ère série”.

Notanterahina tany Am­ba­tolampy, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, taranja ping-pong. Nahavita dingana tsara ny klioba Challengers Anala­manga, raha mitaha amin’ireo ekipa efa sangany. Porofon’ izany, ny nandrombahan’ Andriatahina Gracia ny am­boara teo amin’ny «1ère serie» vehivavy, rehefa nandavo an’i Volana, tamin’ny seta 3 no ho 0. Tsiahivina fa mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena ny tovovavy ary efa nandrombaka medaly alimo, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana. «Vokatra misongadina raha mitaha amin’ny zava-misy iainana. Taona iray monja dia efa afaka niditra tao anatin’ny «1ère série». Miteny ho azy ny vokatra azony na fohy aza ny fotoana nanomanana. Faly fa nahazo vokatra fa mbola be ny asa miandry ho an’ny manaraka”, hoy i Amboarasoa Itokiana, mpanazatra.
Ankoatra izay, teo amin’ny “open”, norombahin-dRako­to­arisoa Riva, mpilalaon’ny Aca­cia sady tompondakan’i Ma­da­gasikara 2023 ny amboara. Resiny teo amin’ny famaranana, i Tafita avy amin’ny Young Vibes. Seta 3 no ho 0 no nahazoany ny fandresena. Izy mirahalahy ireo ihany no nifanandrina teo amin’ny U19 ka na­ha­vita ny valinadiny i Tafita, tamin’izany. Norombahiny ta­min’ny seta 3 no ho 0 ihany koa ny amboara.
Nanao pao-droa i Idealy, mpilalaon’ny CFTT teo amin’ ny sokajy “2 ème série” vehivavy ho an’ny mpilalao 19 taona. Ho an’ny “3è serie” lehilahy, voalohany i Matoa avy amin’ny JPP. Lasan-dRako­to­arisoa Tahiry, tale teknika na­sionaly ny fandresena raha nandresy an’i Jerry, avy amin’ ny Young Vibes, raha i Sylvia nahazo izany teo amin’ny vehivavy. Nobatain’i Jerry ny am­boara teo amin’ny “Leaders”.

Torcelin

Partager sur: