SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina eto Madagasikara ny 14 ka hatramin’ny 22 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe indianina, ho an’ny ekipa tompondaka taranja handball (CCCOI 2024). Firenena 8 no handray anjara amin’izany, i Mada­ga­si­ka­ra mpampiantrano, i Maurice, i Seychelles, i Co­mo­res, i Mayottes, i Rodrigues, i Djibouti ary i La Réunion.
Nanomboka ny 5 oktobra ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja ady totohondry 2024. Ny sokajy “Jeunes” no nanombohana ny fifaninanana izay mbola mitohy hatramin’ny anio izany.
Nanomboka omaly, 6 novambra ary hitohy hatramin’ny 16 novambra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Jiu-jitsu Breziliana, izay hatao any Abu Dhabi. Tsiahivina fa 15 mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifaninanana ity, izay efa tonga any an-toerana ny ankamaroany.
Notanterahina ny talata lasa teo, manerana an’i Eoropa ny andro fahefatra hiadiana ny ho tompondaka, taranja baolina kitra “Ligue des champions”. Nitranga ny tsy nampoizina, ekipa goavana roa no resy. Anisan’izany ny Real de Madrid, lavon’ny AC Milan tamin’ny isa mazava, 3 no ho 1 ary ny Manchester City niondrika teo anatrehan’ny Sporting, 4 no ho 1.

Partager sur: