« Tsiahy Elie Rajaonarison ». Hiompana amin’izay indray ny velakevitra hatao ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy manaraka eo, ny alarobia 13 novambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hitarika izany Rakotomavo Tsiky, mpanoratra sy mpikaroka, sy Ranoë, mpampianatra, mpanoratra, poeta ary mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra. Tafiditra hatrany anatin’ny fanamarihana ny faha-35 taonan’ny fikambanana ny hetsika.
Ireo mpiangaly majia avy amin’ny Magic Squad Madagascar indray no nanafana ny sehatra teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, omaly. Tao anatin’izany no nanehoana ireo hakinga-tanana maro samihafa. Marihina fa ao anatin’ny fanapariahana sy fampahafantarana ity karazana fahaiza-manao ity ny Magic Squad Madagascar amin’izao. Maro, araka izany, ny hetsika ataon’izy ireo mifanaraka amin’izany.
Mifarana anio, ny atrikasa fanaovana sary amin’ny alalan’ny ravi-maitso natao ho an’ny mpianatry ny CEG Ambohipo, izay nokarakarain’ny fikambanana Sar’nao, tao anatin’ny “Festival du Mois de la Photos”. Tao anatin’izany no nampahafantarana ireo mpianatra ity fomba anisan’ny tranainy ity sy nanairana ny famoronana tao anatin’izy ireo.
“Missa Solemnis”, sanganasan’i Mozart hovelomin’ny Amboarampeo Tranovato Faravohitra. Seho hotanterahina, eny an-toerana, ny sabotsy 9 novambra izao, manomboka amin’ny 5 ora tolakandro. Handray anjara ao ihany koa ny Koloamboarampeo. Ny fizarana voalohany no hanehoan-dry zareo ny ampahany amin’ny “Motets”, “Requiem”, “Grande Messe” (en Ut mineur KV 427), sy hira fiderana samihafa.