Voamarina fa hotazana mialoha sady hihena ny letisia amin’ity taona ity, araka ny fanadihadiana nataon’ny CTHT, ny faran’ny volana oktobra teo. Nambarany fa mitotaly 1560 ireo fototra letisia ka ao atsimon’i Toamasina ny 995 raha ao atsimon’ny faritra kosa ireo 565 hafa. Vinavinaina hotazana amin’ny herinandro izao ny vokatra.
Mandray anjara amin’ny « 14e forum économique des îles de l’Océan Indien » atsy Mayotte i Madagasikara amin’ny alalan’ny tale mpanatanteraka ny Confédération du Tourisme de Madagascar (CTM). Fotoana hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo nosy manodidina sy hampivoarana ny fifanakalozana ara-toekarena amin’ny fizahantany ny hetsika.
Miisa 37 ny vehivavy niofana momba ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary, any amin’ny kaominina Bemanevika, distrika Sambava, ny 5 novambra teo. Nanohana azy ireo ny fikambanana Lavanila maharitra Bemanevika (VDB) sy ny DRPEB Sava. Hitohy any amin’ny fokontany Ambodivohitra sy Ambatojoby ny fiofanana.