Hotanterahina any Kigali Rwanda, manomboka rahampitso hatramin’ny talata ho avy izao, ny fihaonamben’ny tanora eto Afrika, “Youth Connekt Africa Summit 2024”. Mahatratra 33 ny firenena mandray anjara, anisan’ izany i Madagasikara. Tanjona amin’ny hetsika ny hiresahana betsaka kokoa ny hoavin’ ny tanora eto Afrika.
Araka ny vaovao voaray, omaly, efa nigadona any an-toerana, ny delegasiona malagasy izay tarihin’i Marson Moustapha Abdulah, minisitrin’ ny Tanora sy ny Fanatanjahatena (MJS). Nilaza ity farany fa, zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny hetsika tahaka itony. Tafiditra anaty veliranon’ ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, rahateo ny fampandrosoana ny tanora. Ankoatra izay, manana mpilaravinahitra avy ao Rwanda, mandray anjara amin’ny fihaonambe i Madagasikara. Marihina fa, anisan’ny ady sisika hataon’ny delegasiona malagasy any an-toerana ny mba hampiantranoan’i Madagasikara ny hetsika amin’ny taona 2025.
Ampatsiahivina fa efa nanomboka ny taona 2012, ny tanora malagasy no niatrika ity hetsika lehibe eto Afrika ity
Fitia Randria