“Tokony hitandrina ny filohan’ny Repoblika manoloana ny zavatra lazainy. Satria filohan’ny Repoblika izy. Raha minisitra no misy fampanantenana ataony amin’ny vahoaka, mbola azo eritreretina hoe ny Praiminisitra mety hiaro an’ izay minisitra solafaka amin’ny teniny izay”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpamakafaka politika sady sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin. Nizara ny heviny manoloana ny mbola fisian’ny fahatapatapan’ny jiro sy ny rano amin’izao fotoana izao izy. “Raha mbola Praiminisitra koa no nanolotra vahaolana ho an’ny vahoaka amin’ny olana amin’ny jiro sy rano: na tsy voavaha aza ny olana, mbola afaka manala tsiny azy ny filohan’ny Repoblika. Ankehitriny, ny filohan’ny Repoblika no mampanantena zavatra tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy”, hoy hatrany izy.
“Efa latsaka an-katerena ny Jirama. Tsy mety tanteraka ny hitondrana vahaolana haingana, na miteny an’izany aza ny filohan’ny Repoblika. Koa mila tandremana izay lazaina. Sao sanatrian’ny vava ny zavatra ampanantenaina nefa tsy ho vita indray no hiteraka na handrehitra ny afo.”, hoy ity mpanao famakafakana ity.
“Raha ny vola ho an’ny fanabeazana no atontona any amin’ny Jirama mba hahazoana manarina ny toekarena: tena inoana ve fa ny vola alaina amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena no hahavaha ny olan’ny Jirama?”, hoy ihany izy. Tsy inona fa olana efa hatrany ifotony amin’ny fitantanana ny olan’ny Jirama. Raha tsy fantatra izay olana izay, tsy hahavaha olana izay vola atontona ao.
R. Nd.