FANTINA sy FINTINA

Notsikerain’ny depiote sady lehiben’ny fanoherana, Randrianasoloniaiko Siteny, ny mpitondra. «Amin’ny tany repoblikana sy demokratika rehetra, na ny mpitondra mahita vahaolana na ny mpitondra mametra-pialana manoloana ny tsy fahombiazana azo tsapain-tanana tahaka izao eto amintsika izao», hoy izy.

Manodidina ny 28% eo ny taham-pahavitrihan’ ny mpifidy tamin’ireo fifidianana ben’ny Tanàna eto Antananarivo, araka ny nambaran’ny kandidà, Razafin­joelina Tahina. Nifampizaran’ny Tim sy ny TGV hatrany izany. “Tsy handrava ny hery fanoherana izahay fa efa samy manana ny mpifidiny ireo. Ireo leo fitaka sy tsy tonga mifidy, 72%, no lakilen’ity fifidianana ity”, hoy izy.

Voatendry ho masoivohon’i Madagasikara any Etazonia, Rakotomalala Lantosoa, araka ny tapaka tao amin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Tsiahivina fa ambasadoaro farany tany amin’ ity firenena ity, Andriamihaja Eric Robson, notendrena tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina Hery.

Nentin’ny FFKM am-bavaka avokoa ireo kandidà ben’ny Tanàna rehetra eny Atsimondrano. Nizara roa ny toerana nanatanterahina izany ka teny amin’ny Angli­kanina, Ambavahaditokana ho an’ny faritra Anosizato hatreny Itaosy. Teny amin’ny FJKM Anjomakely kosa ny fotoam-pivavahana ho an’ireo kandidà eny Tanjombato sy ny tapany atsimo.

Partager sur: