Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Motocross of African Nation”, izay natao ny 25, 26, 27 oktobra lasa teo, tany Marrakech Maroc. Nahazo ny laharana voalohany teo amin’ny lalao isan-tarika, sokajy 125 cc ry Leung Yen Sincere sy Rakotoarimanana Jeremy, Malagasy mpilalao. Taorian’ iny fifaninana iny, manana vina goavana ny Federasionina malagasin’ny Moto (FMaM).
Nambaran’izy ireo ny alarobia teo, tetsy Ankorondrano, fa misy ny vina hampiantrano ny fifanintsanana MXoAN, ny taona 2026 na 2027, ka mangataka fanampiana amin’ny fanjakana satria zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny fandraisana izany. Nomarihin’izy ireo fa maro ny zavatra ilaina amin’io hetsika io, anisan’izany ny tany malalaka hanaovana ny lalao, ny fahazoana ireo fitaovana atao eny an-kianja, sy ny maro samihafa
Ankoatra izay, miezaka hatrany ny rafitra federaly ny hampitombo ny isan’ny Malagasy mpilalao amin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena tahaka izao. Tsara ny mampahafantatra fa niakatra ho folo ny isan’ny solontenan’i Madagasikara tamin’ity “MxoAN 2024” ity raha toa ka valo izany tamin’ny taon-dasa teo, fifaninanana natao tany Afrika Atsimo.
Ankoatra ny 125 cc, nifanintsana tamin’ny sokajin-dalao hafa, toy ny 65cc sy ny 85cc ary MX2 255 cc, koa ireo Malagasy mpanamory motocross.
Fitia Randria