Notontosaina ny 2 hatramin’ny 6 novambra 2024, ao Lomé Togo, ny « Emergence Films Festival” andiany faha-11. Nisolo tena an’i Madagasikara tao anatin’izany i Felana Rajaonarivelo, tamin’ny alalan’ny horonantsary fanadihadiana Debout! Horonantsary miisa 33 nizara amina sokajy efatra no voafantina nifaninana tamin’izany fifaninanana izany. Firenena 15 avy eto Afrika sy Amerika ary Eoropa no nandray anjara tamin’izany. Amboara roa no azon’ny solontena malagasy tamin’izany. Voalohany ny “Prix femme d’impact” ary faharoa ny fankasitrahana manokana avy amin’ny mpitsara.
Horonantsary fanadihadiana tsy mitsahatra mivelatra eo amin’izao tontolo izao ny Debout. Porofon’izany ny maha voafantina azy handray anjara amina fifaninanana iraisam-pirenena maro. Anisan’ izany ny “festival d’écran noir” natao tany Cameroun, ny volana oktobra teo. Raha tsiahivina, horonantsary fanadihadiana maneho ny fiainana andavanandrona vehivavy manana fahasembanana izy ity. Ao anatin’izany ny anehoany fa tsy sakana amin’ny fivoaram-piainana ny fahasembanana.
Lin