Toy ny isam-bolana, mamoaka ny tetiandro fizarana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona misitraka izany ny tahirimbolam-panjakana. Ho amin’ity volana novambra ity, hanomboka ny alatsinainy ho avy izao ny fizarana ho an’ireo manana laharana miafara amin’ny 0, 1, 2. Ho an’ny miafara amin’ny 3, 4, 5 kosa, hisitraka izany ny talata 12 novambra. Mitohy ny fizarana ny alarobia 13 novambra ho an’ireo manana laharana miafara amin’ny 6, 7, 8, 9. Manohy azy ireo ny manana laharana miafara amin’ny A, B, C, D, E ny alakamisy 14 novambra. Anjaran’ireo mitondra taratasy fanomezan-dalana manokana “procuration” sy ireo tsy tonga nandritra ny tetiandro ny maka ny azy ny zoma 15 novambra.
Voakasik’io tetiandro io avokoa ireo mandray eny amin’ny Perceptions principales sy ny Trésoreries principales ary ny Trésoreries intercommunales.
Ho an’ny eny amin’ny Paierie générale sy ny Recette générale kosa dia 11 ka hatramin’ny 14 novambra no hitsinjarana ireo laharana.
Entina handaminana sy tsy hisian’ny filaraham-be no anton’ny nametrahana ny tetiandro ka tokony hanaraka izany ny rehetra.
Tatiana A