Hetsi-bahoaka amin’ny jiro sy rano : nokianin’ny depiote mpanohitra ny fihetsiky ny Emmo/REG

Nokianin’ireo depiote mpanohitra teny Tsimbazaza, omaly, ny fihetsiky ny Emmo/Reg, manoloana ny hetsi-bahoaka amin’ny olan’ny jiro sy rano. Nitondra valin-kafatra momba izany ny mpitandro filaminana.

Notsiahivin’ny delege mi­sahana ny zandary, ny Jly Rakotondrazaka Andry, nanoloana ireo depiote fa ahitana vondron-kery telo: Tafika, polisy ary zandary ireo mpitandro filaminana ahetsika amin’ireny grevy ireny. “Misy ny fampiomanana intelo miantoana “Sommation” hanaparitahana ireo vahoaka saingy tsy misy mihaino. Tsy maintsy raisina ny fepetra araka ny lalàna raha miseho ny fihoaram-pefy”, hoy izy. Nanteriny fa mitondra fanamafisam-peo ny Emmo/Reg amin’ny toerana sasany na koa fidirana an-tsehatra avy hatrany rehefa tena tafahoatra ny mety ny zava-mitranga. “Olana sosialy io ka tsy tokony hifandonantsika fa ezahina atao ny fandaminana sy fandrindrana izany. Tsy azo ekena kosa ny fanakanan-dalana na fihoaram-pefy. Adi­dinay ny manala ny sakantsakana rehetra hirindran’ny fiarahamonina”, hoy ihany izy. Nanteriny ny fotokevi-dehibe ao anatin’izany. Eo ny fandaminana sy ny fandrindrana ny hetsika, tsy misy basy. Zava-dehibe ny fametrahana filaminana ka tsy maintsy raisina ny fepetra, mifanaraka amin’ny lalàna, araka ny nambarany hatrany.
Nohitsiny koa anefa fa misy ambadika politika ny sasany amin’izany fihetsiketsehana manoloana ny olan’ny jiro sy ny rano izany, taty aoriana raha hetsika madio tany aloha. “Efa misy andiana olona natao hamboly korontana sy handrangitra any anaty vahoaka any matetika”, hoy izy.

Ilaina ny tsikera
Na izany aza, nambarany fa ilaina ny tsikera sy ny fanamarihana nentin’ireo depiote mpanohitra, nampiantso izao fihaonana sy fifanatrehana izao.
Tsiahivina fa samy notsikerain’ny depiote mpanohitra avokoa manoloana ny ambaran’izy ireo ho tsy fahaiza-mi­tantana ireo minisitra enina, nam­panantsoin’izy ireo ka voakasik’izao olana lehibe eto amin’ ny firenena izao. Anisan’izany ny minisitry ny Asa va­venty, ny Rano, ny Angovo sy ny akoranafo, ny Foloalindahy sy ny so­lontenan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny fi­lami­nam-bahoaka ary ny minisitra delege misahana ny zandary.

Synèse R.

Partager sur: