Hiditra an-tsehatra, rahampitso, ny Malagasy mpikatroka, sokajy vehivavy, Rakotobe Nofy Mica (63kg), ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Jiu-jitsu Breziliana. Fifaninanana atao any Abu Dhabi, nanomboka ny 6 novambra lasa teo ary hitohy hatramin’ny 16 novambra. Ilay teratany Breziliana, i Anna Beatriz, no hifandona aminy voalohany, eo amin’ny “Youth Women’s Gi 63 kg”, izay avy hatrany dia ny ampahavalon-dalana no hataony. Tsiahivina fa i Nofy irery no vehivavy mpikatroka misolo tena an’i Madagasikara any Abu Dhabi. Ankoatra an’i Nofy, anisan’ny hifaninana, rahampitso, ihany koa Rajaonson Aiky (62kg), izay hifandona amin’i Alikhan (Kazakhstan), eo amin’ny “Boy’s Gi/Teen/Orange/Green”. Tsiahivina fa efa nahavita ny anjarany, Ranaivomanana Adriano (66kg) ary resy tamin’ny isa, nanoloana ilay mpikatroka avy any Kazakhstan, teo amin’ny sokajy Youth Men’s Gi/White.
Mi.Raz