Nikatona tanteraka tamin’iny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara natao tany Toliara, ny herinandro lasa teo iny, ny fandaharam-potoan’ny Federasion’ny Karate-do malagasy, ho an’ny taona 2024.
Avo lenta ary modely iny fifaninanam-pirenena iny, araka ny nambaran’ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile. Nisy vokany, hoy izy, ny fampivondronana sy ny fampiofanana natao ary ny fitetezam-paritra. Porofon’izany ny fifandanjan’ny fahaiza-manaon’ny mpikatroka nanerana ny Nosy. Araka ny vokatra, nifampizarana ny medaly teo amin’ny sokajy rehetra, na ny fifaninanana ho an’olon-tokana izany, na ny isan-tarika. Raha hiverenana izay vokatra izay, nahazo medaly volamena 16, volafotsy 7 ary alimo 9 ny ligin’Analamanga, ka nahazo ny laharana voalohany. Nanaraka azy ny ekipa nasionaly, izay nahazo medaly volamena 7, volafotsy 1 ary alimo 1. Fahatelo kosa ny ligin’i Vakinankaratra izay nandrombaka medaly volamena 6, volafotsy 5 ary alimo 6. Tsy nitsanga-menatra ihany koa ny ligin’ Atsimo Andrefana mpikarakara, izay nahazo medaly 10 be izao. Ankoatra ny fifaninanana, nisy ny fampiofanana mpanazatra miisa 42 sy mpitsara miisa 36 ary ny fampiakarana grady. Araka ny nambaran’ny filohan’ny FKM tamin’ny famaranana ity fifaninanam-pirenena ity, hozaraina roa ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny taona 2025, ka any Antsiranana no hanaovana ny fifaninanana nasionaly ho an’olon-tokana. Any Vakinankaratra kosa no hanatanterahina izany ho an’ny isan-tarika.
Mi.Raz