Hifarana anio ny fivoriambe ataon’ny mpitantana tobim-panafody manerana ny Nosy, eny Ankazomanga. Hisy ny fehin-kevitra hivoaka aorian’ny dinidinika samihafa sy ny fiofanana hanatsarana ny asa fitsinjarana fanafody ho an’ny tontolo ambanivohitra.
53 ny mpitantana tobim-panafody nahazo fiofanana avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ity taona ity, hahatonga azy ireo ho matihanina amin’ny asany. “Tokony hiasa avy hatrany izy ireo nefa mbola tsy mandray ny antontan-taratasy fangatahana fanokafana tobim-panafody ny minisitera amin’izao fotoana izao”, hoy ny filohan’ny Groupement professionnel des dépositaires de medicaments, Razafimanantsoa Nandrianina, omaly, teny Ankazomanga, nandritra ny fihaonambe nasionaly. Nanao antso ho an’ny sampandraharaha misahana ny farmasia sy ny laboratoara ary ny fisaboana nentim-paharazana (DPLMT) izy hanokatra ny fandraisana fangatahana satria mitombo ny isan’ny mponina sy ny filana fanafody fototra mamonjy aina. “Lasa manome vahana ny mpivarotra fanafody tsy ara-dalàna ny zava-misy noho ny tsy mbola fisian’ ny tobim-panafody any amin’ ny kaominina sy ny distrika maro”, araka ny nambarany ihany.
1400 amin’izao fotoana izao ny tobim-panafody manerana ny Nosy izay mifameno amin’ny farmasia. Efa lany teny anivon’ny antenimera roa mpanao lalàna rahateo ny tolo-dalàna mametraka ny tobim-panafody ho rafitra maharitra amin’ny fitsinjarana fanafody any ambanivohitra. Mbola miandry ny “arrêté d’application” anefa ity lalàna ity ka niangavy ny solombavambahoaka izy hanara-maso ny fivoaran’ny tohiny.
Ilaina ny tobim-panafody vaovao
“Tena ilaina ny fijoroan’ny tobim-panafody any ambanivohitra satria mamonjy aina maro”, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Ambositra, Andriamihaja Fanomezantsoa Yves. Nomarihiny fa ao Ambositra an-tampon-tanàna ihany no ahitana farmasia ka sahirana ny vahoaka any amin’ny toerana saro-dalana rehefa tsy misy tobim-panafody. Rariny raha manokatra tobim-panafody vaovao maromaro ny fanjakana ho an’ny fahasalamam-bahoaka.
Vonjy