Prix Paritana 2024: miatrika fiofanana any Frantsa Irimboangy

Manaraka fiofanana any Paris Irimboangy, Malagasy mpahay kanto. Tombony ho azy sy ny mpanatalenta tahaka izao ny fandraisana anjara amin’ny fifaninana “Prix Paritana”.

Tanterahina mandritra ny telo volana ao amin’ny Cité internationale des arts ao Paris Frantsa, ny fivahinianana arahina fiofanana sy fanatontosana ny tetikasa « ‘Ridô – dévoiler les souvenirs» an’i Tsiriniaina Hajatiana Irimboangy. Ity mpanakanto ity izay mpandresin’ny fifaninanana « Prix Paritana », andiany fahavalo. Anisan’ny valisoa azony ny fiofanana any ivelany. Efa any an-toerana izy. Hiofana sy hifampizara amin’ireo matihanina izy. Tanjona ny hahafahana manangana ny tetikasa “Ridô- dévoiler les souvenirs”.
Anisan’ny tanjon’ny Fon­dation H amin’ny fikarakarana ny fifaninanana Prix Paritana ny fampivelarana sy fampiroboroboana ny zavakanton’ireo Malagasy mpahay kanto, in­drindra ireo monina eto Mada­gasikara. Zava-dehibe ho azy ny fanohanana ny mpanakanto nivoaka mpandresy amin’ny famolavolana ny tetikasany.
Ho an’i Tsiriniaina Hajatina Irimboangy manokana dia ilay tetikasan-javakanto “Rido- dévoiler les souvenirs” no natolony. Tetikasa izay ahitana zavakanto maro loko toy ny sary pika sy soratra ary horonantsary volavolaina amin’ny alalan’ny “Intelligence artificielle”.
Ny 18 desambra 2024 hatramin’ny 18 janoary 2025 no vinanian’ny tomponandraikitra hanaovana ny fampirantiana ny “Ridô”, ao amin’ny Espace Parisien Paris, ary eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) kosa ny volana marsa 2025.

Lin

Partager sur: