« seer 2024 » : vahaolana ho an’ny fampiasana angovo azo havaozina

Loharanon-karena sy tombony ara-toekarena ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Tafiditra amin’ny fisorohana ny olan’ny fahatapahan’ny herinaratra izany.

Fanamby goavana eto Madagasikara ny fisitrahana herinaratra manerana ny Nosy. Fotoana iray hia­rahan’ireo mpisehatra rehetra sy hitondram-bahaolana ma­hakasika izany ny Salon de l’électricité, des énergies renouvelables et des hydrocarbures. Miditra amin’ny an­diany fahatelo ny hetsika, eny amin’ny Kianja Barea Maha­masina, nanomboka androany ka hatramin’ny 9 novambra. « Hanampy amin’ny torohay sy fampahafantarana ary ireo tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ny hetsika », hoy ny tomponandraikitry ny Pre­mium Company sady mpikarakara ny hetsika, Randrianadison Sitraka. « Manana vina hampiasa tanteraka ny angovo azo havaozina aho ka mitady ireo fitaovana rehetra mifanaraka amin’izany », hoy Jeremy, anisan’ireo mpitsidika. Maro azo isafidianana ireo kojakoja hita eny an-toerana. Tombony ma­nokana ny fahazoana ny fanazavana ara-teknika sy ny fampiasana izany, araka ny fanazavany hatrany. Hampiranty ireo vokatra azo avy amin’ireo angovo azo havaozina sy mandeha amin’ny solika mandritra ny telo andro ireo matihanina amin’izany. Eny an-toerana ihany koa ireo teknisianina hampahafantatra ireo vokatra sahaza ny olon-tsotra na orinasa.

Tombontsoa
Hisy fihenam-bidy manomboka amin’ny 20 hatramin’ny 70% ireo vokatra hamidy eny an-toerana. « Natao izany mba hitsinjovana ny Malagasy miaina anaty olan’ny fahatapahan’ny herinaratra sy ny rano », hoy hatrany ny mpikarakara. Mahatratra 30 ny tranoheva misy ireo orinasa sy teknisianina ary matihanina momba ny herinaratra sy ny angovo hita eny an-toerana. Maro ihany koa ny mpitsidika andrasana mandritra ny telo andro.

Henintsoa Hani

Partager sur: