SOMBIM-BAOVAO

Nanainga omaly, teny Ivato, hihazo any Accra Ghana, ny Makis Ladies 7. Hiatrika ny fifaninanana “Women’s Tournament 7s”, taranja rugby, ny 9-10 novambra ho avy izao, any an-toerana, izy ireo. Araka ny fandaharam-potoana, ny ekipan’i Ghana, mpampiantrano no hifandona amin’ny Malagasy voalohany.

Nifarana ny talata lasa teo, tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fampiofanana ireo vehivavy malagasy eo anivon’ny tontolon’ny Rugby, “Forum Grassroots to Global”. Naharitra roa andro teo ny hetsika ary tanjona amin’izany ny hisarihana ireo vehivavy hilalao rugby, indrindra fa ny eny anivon’ny sekoly.

Hotontosaina ao amin’ny Kianja El Hociema Maroc, ny 18 novambra ho avy io, ny lalao miverina an’ny Barea de Madagascar sy i Comores. Fihaonana izay tafiditra amin’ny andro farany hiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Can 2025”, izay hotontosaina any Marôc. Tsiahivina fa tsy maintsy maka fandresena roa i Madagasikara vao tafita amin’ny Can.

Ratsy toerana ny klioba frantsay, Paris Saint Germain FC, amin’izao fotoana izao, taorian’ilay faharesena azon’izy ireo nanoloana ny Atletico Madrid, 2 no ho 1, omaly, tany Parc des Prince Paris. Mitana ny laharana faha-25 izy ireo ary manana isa 4, amin’ity fifaninana eoropeanina, “Ligue des Champions 2025”, ity.

Partager sur: