Voatendry ho talen’ny Lovako i Narijaona Elda, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Dah-Mama. Ankoatra ny maha mpanakanto azy, efa nisahana ny toerana maha mpiasam-panjakana ambony teo anivona departemanta maromaro izy, nialoha izao fanendrena azy ao amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izao. Tsiahivina fa Loharano Otrika Vola ho an’ny Kolontsaina ny fanalavana ny Lovako.
Farakely sy Mia, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Angamba tao amin’ity toeram-pialamboly ity no nanombohan’ny fiarahana an-tsehatra, na fara-faharatsiny ny nampalaza azy. Hiverina ao indray i Farakely sy i Mia, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Anisan’ny hira be mpankafy sy andrasan’ny maro amin’izy roa ny “Azy ihany”, sy ny maro hafa.
Teddy Prézeau, eny amin’ny Grand Hôtel Urban Ambatonakanga. Hitondra ny “Revy milay” araka ny anaran’ny seho ity mpanakanto anisan’ny ankafizin’ny tanora ity, anio manomboka amin’ny 3 ora. Ora vitsivitsy hitondrany ireo hirany vaovao sy ny efa mitoetra toa ny “Avelao” izany. Fanaon’i Teddy Prézeau ihany koa ny mamerina hirana mpanakanto hafa rehefa amin’ ny fiarahana toa izao.
Handeha ao amin’ny Cinepax ny “Disco Afrika”. Nalefa voalohany ho an’ireo mpijery voafantina omaly, ary ho an’ny rehetra kosa anio manomboka amin’ ny 8 ora. Sarimihetsika notontosain’i Luck Razanajaona izay efa manana ny toerany eo amin’ny tsenan’ny sarimihetsika iraisam-pirena izy ity, satria vao avy nahazo loka nandritra ny “Afrika film festival Kôln”, sy ny “Festival de cinema Africain de Tarifa-Tanger”.