Lasa zary fahazarana ny manao anaty kitapo iray ny Malagasy. Raha ny sisintany, na ny ampahany amin’ny soatoavina, hita taratra ihany ilay iraisana. Fa rehefa miditra lalindalina, miharihary koa ilay fahasamihafana. Io ilay harena be tsy misy manana raha mahay mifanaja ny Malagasy.
Midadasika i Madagasikara. Ny fomban’ny any atsimon’ny Nosy, tsy voatery ho fantatry ny any avaratra. Tsy terena ho hain’ny any atsinanana… Ny kolontsaina avy eo afovoantany, tsy voajanahary ho hain’ny any andrefan’i Madagasikara, sns. Ny tranga tahaka ireo no mbola mametraka hatrany ny harena goavana be ananan’ity Nosy ity. Io ilay lazain’ireo manam-panahy handalana amin’ny hoe: « Harena ny fahasamihafana »! Tsy azo atao ambany maso tsy hita ny vokatr’izay…
Tsy tambo isaina ny soatoavina eto Madagasikara. Tahaka izany koa ny kolontsaina, ny zavakanto, ny fomba amam-panao, sns. Misy « mety » amin’ny « sasany », fa tsy mety amin’ny « hafa », satria, manimba ny soatoaviny. Noho izany, mila mifanaja ny samy Malagasy. Ao ny « tsara » ho an’ny « hafa », fa mahamenatra sy mahasakodiavatra ny « sasany » na ny maheno azy aza, sns. Noho izany, mila mifanaja ny samy Malagasy.
Mifanaja amin’ny lafiny rehetra
Nitondra ny momba azy manontolo ny vahiny rehefa niditra teto Madagasikara. Samy hafa rahateo ny fiavian’izy ireny. Tao ny avy any afrika, azia, eorôpa, sns. Nentiny niaraka tamin’izy ireo ny kolontsaina, ny fomba amam-panaony, ny soatoavina… Nisy tamin’ireny no voarain’ny Malagasy ka zary lasa niainany taty aoriana. Mbola tazana manao randra-mitarika ankehitriny izany. Mbola azo raisina ho harena ihany koa izy ireny raha misy ny fifanajana eo amin’ny samy Malagasy.
Mila mifanaja miainga any amin’izay heverina fa bitika ka hatrany amin’ny lehibe indrindra ny samy Malagasy. Tsy tokony hifanimbazimba amin’ny lafiny rehetra (fomba amam-panao, fomban-tany, fady, soatoavina, kolontsaina, finoana…). Tsy tokony hisy hanao andrezatra hikiry hampanjaka ny momba azy sy ny mety aminy any amin’ny hafa.
… Tsy zava-baovao amin’ny Malagasy ny mifanaja. Io ilay soatoavina iray nikambanana nisy tany ambadik’Imanareza. Io fifanajana io ilay fiverenana any amin’ny fototra (na fiverenana an-doharano) goavana indrindra ho an’ny Malagasy miaina izao vanim-potoana izao.
HaRy Razafindrakoto