Nirefodrefotra ny basy tao Analamalotra Toamasina, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Naharitra adiny iray ny fifampitifirana teo amin’ny jiolahy sy
ny polisin’ny Fip, notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, nanao fanenjika manerana ny tampon-tanànan’i Toamasina. Dimy lahy nirongo fitaovam-piadiana ireto olon-dratsy nikasa hanafika mpandraharaha ireto. Avy naka vola tamina banky iray tao Toamasina io mpandraharaha io ka nihazo ny lalam-pirenena fahadimy (RN5) mankany Fenoarivo Atsinanana. Araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny Fip, tsikaritr’ilay raim-pianakaviana mpandraharaha fa misy manaraka izy raha iny nivoaka avy ao amin’ny banky iny. Nampandre haingana ny polisin’ny Fip izy sy ireo olona niaraka taminy tamin’io fotoana io. Nametraka paikady avy hatrany ny polisy ka nentina nihodinkodina tany Bazarikely sy Ampasimazava aloha ny fiara ka nanaraka avy aoriana hatrany ireo olon-
dratsy. Nandritra izany anefa, nesorin’ny polisy ireo sivily niaraka tamin’ilay mpandraharaha tao anaty fiara.
Nampiasa basy kilalao…
Polisy manao fanamiana sivily indray no nampidirana tao amin’ilay fiara. Taorian’ izay, nanohy ny diany nihazo ny RN5 ilay mpandraharaha saingy efa polisy manao fanamiana sivily no tao anaty fiara. Toy ny fiara rehetra mandalo eo amin’ny sakana misy ny polisin’ny Fip eo amin’ny RN5 ireo fiara ka nosakanana dia nijanona. Vao niala kely ny sakana misy ireo polisy anefa ireto fiara dia raikitra ny fifandonana. Nosakanan’ireo olon-dratsy ny fiara nitondra ilay mpandraharaha. Nifamaliana ny tifitra hatrany anaty alan’ Analamalotra, toy ireny amin’ny sarimihetsika ireny. Mafy ny fifandonana ka lavo tao anatin’izany ny jiolahy telo. Basy PA iray tena izy niaraka tamin’ny basy kilalao ary antsibe no tratra tany amin’izy ireo nandritra ny fisavan’ny polisy. Azo sambo-belona kosa ny roa lahy naman’ireto jiolahy telo lavon’ny polisy.
Sajo