Nanentana ireo kandidà ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny eo anivon’ny Ceni. Tokony hisitraka ilay roa minitra fidirana maimaimpoana ao amin’ny fahilatavi-pirenena, TVM, sy ny onjampeo nasionaly, RNM, izy ireo.
Notsiahivin’ny Ceni fa efa amin’ny fiomanana amin’ny fampielezan-kevitra na “Precampagne” izao. “Efa nanomboka ny 14 oktobra hatramin’ ny 18 novambra, iray andro mialoha ny 19 novambra hanaovana ny fampielezan-kevitra izany fahazoana ampaham-potoana amin’ny TVM/ RNM izany”, hoy ny Ceni. Votoatin’izany fidirana amin’ny haino aman-jerin’ny fanjakana izany ny fampahafantarana ilay kandidà sy famelabelarana ny vinam-piarahamonina ary ny fanentanana ny olom-pirenena hifidy. Manana roa minitra avy ireo kandidà hanatanterahina izany ka arakaraka ny fahatongavan’ny horonampeo na sary eny anivon’ny Ceni ny filaharany. Tsy maintsy mandalo ny fankatoavan’ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity anefa izany mba ho fitandroana ny fanajana ny lalàna sy ny soatoavina malagasy. Anisan’ny votoatin’izany horonampeo na horonantsary izany ny fampahafantarana ilay kandidà sy ny famelabelarany ny vinam-piarahamonina. Eo koa ny fanentanany ny olom-pirenena handeha hifidy.
Na izany aza, nametrapetraka ny eo anivon’ny Ceni fa voarara ny fanentanana ny olom-pirenena handeha hifidy ilay kandidà. “Efa fampielezan-kevitra izany ka tsy azo atao”, hoy izy ireo. Tahaka izany koa ny tsy fahazoana mampiasa ny hiram-pirenena sy ny sainam-pirenena ary koa ny tombokasem-panjakana. Hentitra koa ny eo anivon’ ny Ceni fa tsy azo atao ny fifampihantsiana sy ny fanalana baraka ary koa ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka.
Synèse R.