Any Johannesbourg ny depiote Ratsiraka Sophie, miatrika ny fivorian’ny Commission permanente démocratisation, gouvernance et droits de l’homme, eo amin’ny parlemanta eo anivon’ny Sadc. Miompana amin’ny hanatsarana ny rafitra fanaraha-maso sy ny lalàna momba ny fanafoanana ny fanambadian’ny ankizy sy ny hiarovana azy ireo ny dinika amin’izany.
Naneho ny alahelony ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, tany Tsinjoavonimanga, Tsiroanomandidy, omaly. Niharan’ny sakana nataon’ny zandary izy tamin’izany. “Tsy avela miresaka amin’ny mpiray tanindrazana aminy intsony ny olom-pirenena. Arahana zandary na miantsena aza”, hoy izy. Na izany aza, tafahaona tamin’ny vahoaka ihany izy.
Nofanin’ny Eisa sy ny Ceni ireo kandidà ben’ ny Tanàna latsaky ny 35 taona any Vakinankaratra, ny herinandro teo. Anisan’ny lohahevitra amin’izany ny momba ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana (CTD). Ny lalàna manodidina ny fifidianana sy ny paikady amin’ny fampielezan-kevitra. Eo koa ny lafiny serasera ara-politika ary ny haitarika.
Nanamafy ny fahaiza-manao sy nifampizara traikefa momba ny andraikitry ny Sampana mpanisa vato (SRMV) amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna ireo mpampiofana nasionaly. Nampitovy fomba fijery izy ireo mba hampiofanana ireo eny anivon’ny distrika, manomboka ny alatsinainy izao. Ho tonga any amin’ ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana izany avy eo.