Fiofanana arakasa ao Toliara: Vehivavy mpiofana 20 notolorana fitaovana

Mitsidika ny faritra Atsimo Andrefana ny minisitry ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasolo­arisoa Marie Marcelline, tamin’ity herinandro ity. Nandritra ny diany any an-toerana, nizara mari-piofanana sy fitaovana ho tosika fanombohana ho an’ireo vehivavy 20 nanaraka fampiofanana ny fampivoarana ny maha olona sy ny fitantanana tsotra, miaraka amin’ny fianarana zaitra sy nahandro ny minisitra. Nizarana fahalalana momba ny fandrindram-piterahana koa ireo mpiofana.
Notanterahina tao amin’ny CFPF Motombe Toliara, ny hetsika fizarana ny mari-piofanana izay natrehin’ny olom-panjakana ao an-toerana, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny UNFPA ao Toliara. Tanjon’ny fampiofanana niarahan’ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny UNFPA ary ny minisiteran’ny Mponina ny fanampiana ireo vehivavy niharan’ny herisetra hatoky tena, hisokatra sy hifanakalo amin’ny hafa ary haneho hevitra. Fanomezana azy ireo fototra handraisany an-tanana ny fiainany hahaleo tena sy hamorona asa ho azy ny fampiofanana.

Vonjy

Partager sur: