Nisy ny fanazarantena (Somex), hiatrehana ny fahavaratra teo anivon’ireo kaominina efatra mpisitraka ny fanohanana ara-bola avy amin’ ny tetikasa Produir. Nandray anjara tamin’izany ireo fokontany miisa 20.
Voalaza fa marefo amin’ny ranobe ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy Bemasoandro, Andranonahoatra ary Anosizato Andrefana. Nanaovana fanazarantena, ny faran’ny herinandro teo, ireo toerana ireo, hoentina manomana ny fotoam-pahavaratra sy ny tondradrano.
Anisan’izany ny fanamafisana fahaiza-manao amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandidon-doza. Nampahatsiahivina azy ireo ny andraikitra tokony ho raisina mialoha sy mandritra ary aorian’ny loza, mba ho vonona tsara amin’ny fiatrehana ireo loza voajanahary ho avy.
Nisy ny fanofanana ireo komity mpitantana ny loza amin’ny fampiasana ireo fitaovana entina miatrika ny loza, toy ny fomba fampiasana fitaovana matanjaka fanapahana hazo, fananganana tranolay fampiasana milina fakana rano. Ny fomba fibatana ireo marary amin’ny « brancard », notanterahin’ny “Corps de protéction civile – CPC” sy ny mpamonjy voina ary ny Croix Rouge Malagasy entina hamahana ireo olana samihafa mety hitranga mialoha, mandritra ary aorian’ny loza.
Hetsika fanadiovana sy fitsinjovana fiarahamonina
Etsy andaniny, sady manatanteraka ny asa vaventy no mitsinjo ihany koa ny fiarahamonina ny tetikasa Produir, amin’izao mialoha ny fahavaratra izao. Misy tetikady napetraky ny tetikasa amin’ny alalan’ny fanadiovana ireo toerana sarotra idirana eny anivon’ny faritra iasany. Eo ny fanesorana ny fako sy tsinkafona, manentsina lakandrano. Nodiovina sy nosokafana izany ka nanaovana ny asa ny eny Anosibe Mandrangobato I, Anosibe Ouest I, Andavamamba Anatihazo II, Ambodin’Isotry Cité, tetezan’Ambodin’Isotry, Antohomadinika Atsimo, 67Ha Nord-Ouest ary Ankasina.
Natao amin’ny alalan’ny asa tanamaro ny fanadiovana tamin’ny faritra sasany.
Vonjy