Hilahatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mandritra ny hetsika “Food Ingredients Europe (FIE)” atao any Francfort Alemaina, ny 19-21 novambra, ny vokatry biolojika malagasy.
Hisolo tena an’i Madagasikara ireo delegasiona sy mpikambana avy amin’ny Sendika malagasy momba ny fambolena biolojika (Symabio). Ahafahantsika mivondrona sy mampiroborobo ny fambolena biolojika eto an-toerana sy hitadiavana fiaraha-miasa ara-barotra any ivelany ny hetsika toy izao. Hanome tantsoroka ny firenena malagasy ny Programme d’appui au développement des exportations et à l’intégration régionale (Padeir) tohanan’ny vondrona eoropeanina sy ny tetikasa Pôles intégrés de croissance (Pic), ary ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC). Mitentina 157 miliara dolara ny tsenan’ny vokatra biolojika maneran-tany, ny taona 2022. Hiakatra 12,6% isan-taona izany hatramin’ny taona 2029. Miavaka sy manana kalitao ny vokatra malagasy raha oharina amin’ireo firenen-kafa. Nandrakotra ny 112 000 ha velaran-tany sy nahakasika mpamokatra 70 000 ary niantoka ny 10% ny fanondranana nataontsika ny fambolena biolojika, ny taona 2021. Mbola 40% ny vokatra bio eto amintsika ihany no voahodina eto an-toerana, raha haondrana avokoa ny 60%. «Tanjona ny hamantarana ireo fepetra takin’ny tsena iraisam-pirenena mba hamaritana ny paikadim-pamatsiam-bolan’ny indostria», hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, ny alakamisy teo. Nilaza kosa ny filohan’ny Symabio, Rambotiana Heriniaina fa “hampahafantatra an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fandraisana anjara amin’ny FIE”.
Henintsoa H.